Santiago, Chile

Miércoles, 23 de Abril del 2014

Actualizado: Hace, hace pocos segundos.

20°

Buscador

Tsara Tso-drano - Dadah Rabel & Inah

Descripción: 'Zahay mivady toa sondrian-tory Mihevitra anao ho ankizy foana Nony nihiratra taitra tsy hitahita akory Hay moa ianao tonga taona Hay moa tokoa ianao hary elatra Te hanana zo, te handeha, te hivelatra Vita ny adidin'i Dada sy Neny Efa voninkazo 'lay voa novoleny Handeha, tsara tso-drano Tsy ho azon-tsapina, tsy hidiran'angano Handeha, soava tsara 'Zay vao tena lehilahy Be ny tafahoatra be koa ny tsy ampy Na ny anatra na tambitamby Be ny sakantsakana be ny fandrarana Toa tara toetr'andro izahay mazàna Nefa izay moa no mba noheverinay ho tsara Satria ny tianay no tsara dimby sy fara Aza tsiny mety tsy ho tsara daholo Ny mba fanirianay nitaiza sy nikolo Handeha, ny any aloha no banjino Ny fahendrena no vatsy aza hadino Handeha, mahità ny mamy Mba ho lavitra tomany Lasa nandeha ka hisidina irery F'efa lehibe tsisy handidy tsisy hanery Handimby ireo zoky hiantsorok'adidy Ny mba fanirina tsy ho ratsy safidy Handeha, mahaleova Ianao no dimby ianao no handova Handeha, ny anarantsika Aza avela ho entin-drika

Duración: 4:7 Seg.

Publicado el: 25 ENE 13, 09:18 pm.

Visto: 20210 Veces.


CRÉDITOS (Fuente de Youtube): Masombahiny